Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
Toko faha-10
14 Noho izany, ry malala, halaviro ny fanompoan-tsampy.15 Miteny aminareo toy ny amin'ny olona manan-tsaina aho, ka tsaraonareo izay lazaiko. 16 Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny ran'ny Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin'ny tenan'ny Kristy va? 17 Satria iray ihany ny mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra. 18 Jereo ange Israely araka ny nofo e: moa tsy mpiombona amin'ny otely va, ireo mihinana amin'ny fanatitra atao sorona? 19 Inona àry no lazaiko? Moa mba zavatra ihany va ny hena naterina tamin'ny sampy; na moa mba zavatra koa va ny sampy? 20 Tsia, fa ny zavatra aterin'ny jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin'ny demony, fa tsy amin'Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin'ny demony hianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin'ny kalisin'ny Tompo no hisotro amin'ny kalisin'ny demony koa; 21 tsy azonareo atao ny sady hihinana amin'ny latabatry ny Tompo no hihinana amin'ny latabatry ny demony koa. 22 Te-hampahasaro-piaro ny Tompo angaha isika? Mahery noho izy va isika?
